Tonga tao Toamasina tamin’ny talata 05 may 2026 folakandro ny sambo Torm Elise, mitondra vokatra 64 500 TM izay mitsinjara ho Lasantsy, Solika fandrehitra ary Gazoala. ?
Noho ny fampidinana solika mavesatra izay miantoka ny filan’ny Jirama nentin’ny sambo Sea Treasure tonga teo alohany, dia androany alakamisy maraina tamin’ny fito ora sy sasany izy vao namonjy ny toeram-piantsonana miandry ny fampidinana ireo vokatra tateriny ny sambo Torm Elise. Vinavinaina ho vita amin’ny 10 may 2026 maraina ny fampidinana ny solika rehetra.
Mandritra izany fotoana izany anefa dia efa misy ampahany amin’ny lasantsy navoaka avy tao anaty sambo no taterina amin’ireo fiara lehibe sy fiaran-dalamby haparitaka eraky ny tobin-tsolika aty afovoan-tany. Rehefa vita tanteraka kosa ny fampidinana ny vokatra rehetra dia hiditra indray ireo sambo (caboteurs) avy eto an-toerana, hitatitra solika haparitaka eraky ny tobin-tsolika any amoron-tsiraka, ny iray mankany atsimon’ny Nosy, ny iray avy eo mankany avaratry ny Nosy.
Ireo tsara ho fantatra momba ny famatsiana solika dia arahinao ao anatin'ity horonan-tsary ity.
Rohy Facebook: Araho eto ny horonan-tsary
Nisy ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety teto Ampandrianomby ny 8 Aprily 2026 :
Atolotra anao ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny OMH, Atoa RAVELOSON Cydolain, sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny JIRAMA, Ny Jeneraly RASOLOMANANA Hajatiana.
Rohy Facebook: Araho eto ny horonan-tsary
Durant ce trimestre, les prix à la pompe du Super Carburant (SC), du Pétrole Lampant (PL) et du Gasoil (GO) ont enregistré une hausse moyenne de +9 % (+4 % pour le SC, +20 % pour le PL et +3 % pour le GO). Malgré ces ajustements, la consommation nationale reste orientée à la hausse, traduisant une demande intérieure robuste et un niveau d’activité élevé dans plusieurs segments économiques.
Mis en place depuis janvier 2025, le Mécanisme d'Ajustement Automatique des Prix permet de réguler mensuellement le prix de trois (03) produits pétroliers vendus au niveau des stations-service: le Supercarburant, le Pétrole Lampant et le Gasoil.
Ny fomba fanitsiana vokatry ny fiovaovan'ny vidin-tsolika dia nampiharina nanomboka ny volana janoary 2025. Natao izany mba hifehezana ny vidin'ireo vokatra telo (3) amidy eny amin'ny toby fivarotan-tsolika : ny Lasantsy, ny Solika Fandrehitra ary ny Gazoala.