Tonga tao Toamasina tamin’ny talata 05 may 2026 folakandro ny sambo Torm Elise, mitondra vokatra 64 500 TM izay mitsinjara ho Lasantsy, Solika fandrehitra ary Gazoala. ?
Noho ny fampidinana solika mavesatra izay miantoka ny filan’ny Jirama nentin’ny sambo Sea Treasure tonga teo alohany, dia androany alakamisy maraina tamin’ny fito ora sy sasany izy vao namonjy ny toeram-piantsonana miandry ny fampidinana ireo vokatra tateriny ny sambo Torm Elise. Vinavinaina ho vita amin’ny 10 may 2026 maraina ny fampidinana ny solika rehetra.
Mandritra izany fotoana izany anefa dia efa misy ampahany amin’ny lasantsy navoaka avy tao anaty sambo no taterina amin’ireo fiara lehibe sy fiaran-dalamby haparitaka eraky ny tobin-tsolika aty afovoan-tany. Rehefa vita tanteraka kosa ny fampidinana ny vokatra rehetra dia hiditra indray ireo sambo (caboteurs) avy eto an-toerana, hitatitra solika haparitaka eraky ny tobin-tsolika any amoron-tsiraka, ny iray mankany atsimon’ny Nosy, ny iray avy eo mankany avaratry ny Nosy.