Mon Fil d'Actualité

Votre visite

Illustration
Publié le : 13/02/2026

Fisokafan'ny GRT Toamasina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani

Niverina nisokatra indray ny Galana Raffinerie Terminal (GRT) Toamasina nanomboka anio zoma 13 febroary 2026, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny talata 10 febroary 2026 lasa teo.
  • Miverina ny fitaterana ny vokatra amin'ireo fiara be mpitatitra solika mampiasa ny lalam-pirenena faharoa sy ny fizarana ny vokatra eny amin’ireo tobin-tsolika samihafa ao Toamasina sy ny manodidina, sy manerana an’i Madagasikara, ka efa miroso araka ny tokony ho izy ny asa famatsiana sy fanaterana solika.
  • Raisina sy hajaina tanteraka ny fepetra ara-teknika sy ara-piarovana rehetra, mba hiantohana ny fitohizan’ny asa sy ny famatsiana ara-dalàna ho an’ny mponina.

📁 Télécharger la pièce jointe